Mamokatra horonan-tsary sy sary nahazo loka ho an'ny fikambanana izay tsy mitady vola ka misehatra eto Madagasikara izahay. Ny horonan-tsarinay sy ny sarinay dia mampiseho ny finiavana hanagona tahirim-bola sy manentana amin'ny tontolo iainana, ny maha olona, ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fiarovana ireo biby.
Honon'ny fananana traik'efa mihoatra ny folo taona, ny fahafatarana tsara ny toerana ao amin'ny firenena, ny ekipa sy ny fitaovana tsara kalitao ho an'ny fampitana anatiny, ny Madagascar Film & Photographie dia afaka manome horonan-tsary sy sary araka izay ilaina sy ambony kalitao izay mihoatra ny nandrasanao.
Manome lanja ny fampivoarana manokana ataon'ny ekapanay izahay, miainga amin'ny orinasa, ny mpikambana rehetra, ka hatrany amin'ny vondron'olona mivelatra dia mampirehareha anay ny mampitombo ny fahaiza-manao an'ireo tera-tany malagasy izay misehatra amin'ny tontolon'ny horonan-tsary sy ny sary. Miha mivelatra ny ekipanay ary ny fanohananareo ny famokarana avy eto an-toerana dia hitondra fiovana goavana amin'ny fahombiazan'ny asa eto an-toerana.
Na kely na lehibe ny teti-bolanao, dia miasa mifanaraka amin'ny fetran'io teti-bola io izahaymba hamokarana horonan-tsary na sary ambony kalitaosy maharesilahatra ka manaitra sy misarika ireo olona nokendreny.
Misahiran-tsaina izahay. Mihaino. Fantatray fa lalim-paka ao aminareo ny fitiavana ny zavatra ataonareo ary ny ekipanay dia miasa tsy ankianto mba hanangana sehatra ara-haino aman-jery miavaka ka manaiky ny fomba fijerinareo sy ny zavatra ataonareo. Izahay ihany koa dia mpiaro ny tontolo iainana ary miezak izahay ny hanatontosa ny anjara asa tsirairay sady mijery ny tontolo iainana. Raha miantso ny ekipanay eto amin'ity firenena ity ianareo dia sady mampihena ny karibaona ao amin'ny fikambananareo.
Ny mpanatontosanay, ny mpamokatra, ny mpaka sary ary ny mpanodina horonan-tsary izay samy mahazo mari-pankasitrahana dia samy hitarika antsika miandalana any amin'ny digan'ny fanatotosana horonan-tsary sy sary ary miasa sy ankianto mba hanolorana anareo ny vokatra ao anatin'ny fe-potoana sy teti-bola voa fehy.
Madagasikara no tanindrazan'ireo mpanao horonan-tsary sy mpaka sarinay rehetra, izay manana fahalalana tsara ity firenena manaitra sy ahitana karazan-javatra maro ity. Samy nitety ny firenena avokoa ny rehetra mba hikarohana ny tantaran'ny tontolo iainana sy ny maha olona.
FAMOKARANA VIDEO
SARY SY HORONAN-TSARY TAHIRY
SARY
FITAOVANA SY FAHAZOAN-DALANA
FANDIKAN-TENY
FANENTANANA AMIN'NY FANABEAZANA