Ny ekipa: manana ireo ekipanay manokana izahay mahakasika ny asa momban'ny horonan-tsary, izay samy manana ny fahasahiana haka sary ety an-tanety, any anaty rano na eny an'habakabaka. Efa naka sary, namokatra sy nanatontosa horonan-tsary ho an'ireo tetik'asa maro fanta-daza, toy ny BBC, ny Vice amin'ny HBO, ny PBS ary ny Discovery Channel.
Ny MFP dia manam-pahaizana amin'ny fikarohana ireo toerana hanaovana fanodinana ny horonan-tsary. Raha toa ka mila maka sary ny toetran'ny biby voafantina na manana tantara miavaka, afaka mahita ireo toerana tsara sy manoro hevitra amin'ny vanim-potoana tsara ahafahana manao izany ao anatin'ny taona.
Raha toa ka ny teny malagasy ay ny teny frantsay no teny ofisialin'ny Madagasikara dia tsara ny manamarika fa manana tenim-paritra maro samihafa manerana ny nosy. Izay no maha saropady ny fananana mpandika teny tena azo antoka. Soa ihany fa ireo fixeurs avy eto an-toerana ao amin'ny MFP dia mahay ireo karazana tenim-paritra, izany no ahafahanareo mivelatra amin'ny fotoana eny an-kianja sy mifampizara tsara ny fomba fijerinareo amin'ireo vondron'olona ifotony izay halainareo sary.
Fahaizana manokana amin'ny famokarana momban'ny biby sy ny tontolo iainana
Izahay dia mirehareha amin'ny fahaizanay lalina amin'ny biby sy ny tonto iainana eto Madagasikara. Monina eto Madagasikara ny eKipanay ary mitety faritra maro tao amin'io firenena io. Manana fahaiza-manao maro sy fifandraisana maro izay ahafahana manampy anareo amin'izay filàna rehetra amin'ny famokarana.
Ny MFP dia manana fixeurs avy eto an-toerana efa za-draharaha sy karazam-pitaovana maro arifomba izay ampanofainy amin'ny sarany tsy mena-mitaha amin'ny an'ny hafa. Hita ao an'izany ireo fitaovana ahafahana maka sary eny an'habakabaka, an-dranomasina sy an-tanety. Afaka mikarakara fitanterana anatiny koa izahay, ny fampiatranoana, ny vatsy ary ny fahazoan-dalana manao ny fanodinana ny horonan-tsary.
FIKAROHANA
Asa mialohan'ny famokarana sy fikarohana: Nohon'ny fahalalana manokana an'i Madagasikara, na an'habakabaka, na an-tanety, na anaty ranomasina ; dia afaka miantsehatra amin'ny lafiny maro amin'ny asa mialohan'ny famokarana izahay, indrindra amin'ny fikarohana, ny fifampiresahana amin'ireo manampahaizana manokana sy ny fampiroboroboina an'ireo tantara mba hanampy amin'ny fahazoana antoka ny fahombiazan'ny famokarana.
Ireo taona niasanay dia midika fa nanorina fihavanana miaraka amin'ireo ekolojista, siantifika, fiaraha-monina ifotony, mpanao politika ary ireo fikambanana mpanantateraka foto-drafitr'asa . Ny fifandraisana amin'ireo tambajotra ireo dia manome lalana tokana amin'ireo toerana manerana an'i Madagascar, izay manamora ny fitantana ara-pitaovana ho an'ny tetikasa maro isan-karazany.
Rehefa nandeha ny taona, nitety ireo faritra sasany izay nahatalanjona sy sarotra naleha tamin'ny firenena izahay. Ety ampiafaran'ny lalana dia nahazo fitambarana tahirin-tsary sy horonan-tsary goavana amin'ny kalitao tsara, izay maneho ny maha tsara ny endriky ny tontolo, ny zava-maniry sy ny biby tsy mampino eto Madagasikara, ary koa ny loza manambana izay sedrain'ny tontolo iainana. Raha toa ka liana ianareo ka te hahazo izany horonan-tsary sy sary izany dia mifandraisa aminay.
TEMOINAGES
Photo By: John Doe
Button